Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-9

8 Hain'Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra hianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin'ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin'ny asa soa isan-karazany,

9 araka ny voasoratra hoe: Namafy tamin'ny fanomezam-be ny mahantra izy, ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany. 10 Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy, ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo; 11 dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo, sy hahafoy be amin-kitsim-po, ka fisaorana an'Andriamanitra noho ny asany no ho vokatr'izany. 12 Satria ny fanaovana izany asa masina izany, dia sady hahatondraka izay ilain'ny olo-masina no hahabe ny fisaorana an'Andriamanitra koa. 13 Eny, ho hitan'ny maro amin'izao fahafoizana ataonareo izao fa olona voazaha toetra tokoa hianareo, ka hankalaza an'Andriamanitra izy noho ny fanoavanareo manaraka ny Evanjelin'ny Kristy, sy noho ny hatsoram-ponareo mampiombona azy sy ny olona rehetra aza amin'ny soanareo. 14 Ary hivavaka ho anareo koa izy, fa tia sy mankamamy anareo erĂ½, noho ny haben'ny fahasoavan'Andriamanitra ao aminareo. 15 Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy haim-bava lazaina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0655